You are here: Home Iza moa ny F.P.M.A. ? Iza moa ny FPMA?
Document Actions

Iza moa ny FPMA?

by Rado Ramarotafika last modified 2007-02-18 21:02

Feno 45 taona ny Fiangonana Protestanta Malagasy aty Andafy (FPMA).
Mijoro ho Fikambanam-pivavahana (Association Cultuelle)  fehezin’ny lalàna manan-kery aty Frantsa tamin’ny 1901, sy ny 29 desambra 1905 ary ny 07 janoary 1907 izy. Ny fiorenany dia nankatoavin’ny Fanjakana frantsay tamin’ny alalan’ny Fanambarana laharana faha-62/1161 nivoaka tamin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika Frantsay (JORF), laharana 57 tamin’ny 3 martsa 1963, takila faha-2296. Vao nanamafy izany indray koa ny Fanambarana laharana 2091 nivoaka tamin’ny JORF, laharana 13, takila faha-1405 tamin’ny martsa 2005. Ny foiben-toerana dia eto amin’ny Maison du Protestantisme - 47, rue de Clichy, 75311 Paris  Cedex 09.

Misy 34 ankehitriny ny tafo (Paroasy) ato amin’ny FPMA, raha 8 monja izany tany am-piandohana, ka mizara ho Faritany 6 (Avaratra Andrefana, Afovoany Andrefana, Atsimo Andrefana, Avaratra Atsinanana, Afovoany Atsinanana, Atsimo Atsinanana). Tafo 2 no any ivelan’i Frantsa ankehitriny, dia ny any La Réunion sy any Abidjan (Côte d’Ivoire). Fa efa misy « Fiaraha-mivavaka ho FPMA » koa ny any New York (USA) sy any Berlin (Allemagne) ary Kinshansa (Congo Démocratique). Araka ny Fitsipika ato amin’ny FPMA dia roa taona no tsy maintsy faharetan’ny fijoroan’ny « Fiaraha-mivavaka » iray. Eo ambany fiahian’ny tafo efa mijoro, dia mangataka horaisina ho tafo ara-dalàna izy rehefa vonona, ka aroso amin’ny Synôda Lehibe izany fangatahana izany sy ny tatitra momba azy, mba handraisana fanapahan-kevitra ny amin’ny handraisana azy.

Mpikambana miara-miasa, fa an-dalana ny ho mpikambana feno amin’ny Fédération Protestante de France (FPF) ny FPMA (izany rahateo no ahazoany manana ny Foibeny ato amin’ny Maison du Protestantisme), tahaka izany koa izy amin’ny Association des Églises Luthériennes de France (ANELF), fa efa mpikambana feno amin’ny Conférence des Églises Européennes (KEK), amin’ny Fiombonan’ny Fiangonana Réformées eran-tany (Alliance Réformée Mondiale – ARM/WARC -), amin’ny Fiombonan’ny Fiangonana Loterana Eran-tany (Fédération Luthérienne Mondiale – FLM/LWF -). Miray ao amin’ny Komity natsangan’ny FPF momba ireo Fiangonana Protestanta teraka avy amin’ny frantsay mpiavy izy ( Eglises protestantes françaises issues de l’immigration) ankehitriny. Eo am-pangatahana ny horaisina ho mpikambana amin’ny Conseil Œcuménique des Églises (COE/WCC) sy ny Communauté evangelique d’action apostolique (Cevaa), ary nangataka ho mpikambana amin’ny vondrom-piangonana miara-miasa aty Frantsa amin’ny Fitoriana ny Filazantsara, toy ny Defap (Département Évangélique Français d’Action Apostolique). Firehana teôlôjika ijoroan’ny FPMA rahateo ny hoe : « Fiombonana ho amin’ny asa misiona ho amin’ny fanasitranana izao tontolo izao sy hizara fiainana be dia be ho an’ny rehetra »Une Communion en mission pour la guérison du monde et pour une vie en abondance ( « »).

Ny Akama (Aumônerie catholique Malagasy) sy ny Anglikana  aty Frantsa no miombona miaraka amin’ny FPMA ao anatin’ny  FFKM –Frantsa.

Ny Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta any Madagasikara (FFPM) no nanorina azy tany am-piandohana, ary natao ho santatry ny Fiangonana Protestanta Malagasy Miray izy  fanokanana Mpitandrina ho azy taty an-toerana, avy amin’ireo mpianatra teolojia taty Frantsa, fa tsy nandalo ny fankatoavan’ny FFPM. Misy koa ny feo tsy marina aelin’izay niendaka avy tao aminy. Miandry sy manantena mandrakariva ny firavonan’ny olana ny FPMA, na dia tsy mbola nahazo valiny tamin’ny fangatahany hanavao izany fanekem-piaraha-miasa izany aza, hatramin’izao. (izany no maha-Réformée sy Loterana azy), mandray ny Protstanta Malagasy rehetra aty an-dafy na inona na inona fiangonana niaviany. Rehefa tsy tanteraka kanefa ny firaisan’ny FLM sy ny FJKM tany Madagasikara, dia nomen’ny FFPM fahaleovantena izy tamin’ny taona 1996. Na dia nanana fanekem-piaraha-miasa aza ny FPMA sy ny FFPM (Protocole d’accord) teo aloha, dia tapaka izany nanomboka tamin’ny taona 1998, taorian’ny nananganan’ny FLM Fiangonana ho azy manokana taty Frantsa (FLMA), narahin’ny FJKM koa tato aoriana. (FJKMA). Isan’ny tsy nekena sy nanakianan’ny FFPM rahateo ny FPMA ny nanaovany

 Fa misy ireto zava-misy ireto tsara ampahafantarina ny vahoaka kristiana any Madagasikara, mba tsy hahadiso ny fampahafantarana any an-toerana ny FPMA :

  1. Fiangonana velona ary ara-dalàna ny FPMA, fa tsy foana izy akory ary tsy « secte ». Hanatrika ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-45 taonan’ny FPMA, ary hitory teny mandritra ny fanompoam-pivavahana ny 12 novambra 2005 ho avy izao, ny Filohan’ny Fédération Protestante de France(FPF) sady Filohan’ny Conférence des Églises Européennes(KEK). Efa ampy hanaporofo ny faneken’ny eoraôpeana ny fisiany sy ny maha-ara-dalàna azy izany. Hisy solontena ho tonga avy amin’ny vondrom-piangonana eran-tany maha-mpikambana azy (ARM, FLM) sy avy amin’ny Fiangonana rahavavy mpikambana ato amin’ny FPF, ary solontenan’ny Fiangonana Loterana avy any Soisa izay miara-miasa (partenaire) amin’ny FPMA.
  2. « Fiombonana manao asa misiona ho amin’ny fanasitranana izao tontolo izao sy hizara fiainana be dia be ho an’ny rehetra » (Une communion en mission pour la guérison du monde et pour une vie en abondance) no firehana teolojikaSoritrasam-piangonana (Projet d’Église) mazava tsara ny FPMA mba hahatrarana izany firehana izany, ka misy tompon’andraikitra matihanina miandraikitra izany soritrasa izany, izay iarahan’ny FPMA manatanteraka amin’ny Fiombonana’ny Fiangonana Loterana eran-tany (FLM/LWF). Manana ny Litorjiany ny FPMA, manana ireo Sampana ara-dalàna ao anatiny (Sekoly Alahady, Antoko Mpihira,  Tanora Kristiana, Fifohazana, Vehivavy), ary manana Vaomiera nasionaly samihafa sy Sampan-draharaha samihafa ihany koa. (orientation théologique) arahin’ny FPMA ankehitriny. Manana
  3. Misokatra ho an’ny vahoaka kristiana protestanta malagasy rehetra tonga aty an-dafy ny FPMA fa tsy manavaka ny antokom-pinoana niaviany. Mandray vahiny (tsy malagasy)  manaiky hiditra ho isany koa izy .Kanefa izay rehetra miditra ho mpikambana feno ato amin’ny FPMA dia mameno taratasy firotsahana (fiche d’adhésion), araka ny lalàna manan-kery aty Frantsa, ary tahaka ny firotsahana amin’ny Fiangonana ara-dalàna rehetra dia tsy maintsy manaiky hanaja ny Fitsipika sy ny Foto-dalànan’ny FPMA ny mpikambana rehetra. Safidin’ny tsirairay ny miala raha misy izay tsy mifanaraka amin’ny heviny manokana, kanefa koa fifampifehezana amin’ny Fiangonana ny mananatra mialoha ary mandroaka tsy hoisany intsony, raha tsy azo ialana nenina izay rehetra hita miharihary fa manangana korontana eo anivony.
  4. Miezaka hanaja sy hitahiry ny kolontsaina sy fiainam-panahy tena malagasy (culture et spiritualité à la malgache) , araka izay azony atao, ny FPMA eo anivon’ny samboaravoaran’ny saina amam-pahalalana sy hevitra mifamahofaho aty Eoraopa ka mahatonga fahaverezan’ny tanjona ifaharana (répères) ho an’ny ankamaroan’olona. Izany no mahatonga ny FPMA hanome lanja ny teny MalagasyMaha-te hidera sy mampisaotra an’Andriamanitra ny ezaka ataon’ny tanora Malagasy ato anatin’ny FPMA hifampianatra teny Malagasy. Ny ankamaroan’izy ireo dia teraka taty Frantsa ary tsy nahay niteny malagasy mihitsy raha tsy tao amin’ny Fiangonana. Manana fihaonambe isan-taona ireo STK ireo, ary mirehareha amin’ny maha-Malagasy azy, tsy ambaka noho ny vahiny hafa toy ny arabo sy ny sinoa aty Frantsa izay fatra-pitana ny maha-izy azy ireo. amin’ny fanompoam-pivavahana sy fihetsiketsehana rehetra ataony, na dia misy ihany aza ny fanomezana dikanteny ho an’izay tsy mahay sy tsy mahazo ny teny Malagasy.
  5. Synôda Lehibe mivory isaky ny roa taona no fahefana fara-tampony manapa-kevitra momba ny fitondrana ato amin’ny FPMA. Fa manana Komity Maharitra mivory inroa isan-taona izy manapa-kevitra anelanelan’ny Synôda Lehibe roa, ary manana ny Birao Foibe mpanatanteraka, tarihin’ny Filoha Synôdaly sady Filohan’ny FPMA izay Mpitandrina matihanina fidin’ny Synôda Lehibe. Ny taona manaraka ny Synôda Lehibe iray dia misy Zaikabem-pirenena izay ihaonan’ny Kristiana rehetra ato amin’ny FPMA, afindrafindra isaky ny Faritany ny toerana hanaovana izany. Mifanindry amin’ity taona ity ny Zaikabe sy ny Fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-45 taonan’ny FPMA, ka ny Faritany Afovoany Andrefana no handray ny fivoriana, hatao any LA Roche-sur-Yon any Vendée, ny 11-12-13 novambra ho avy izao.

« Koa amin’izany dia aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo tahaka ny zanaka malala ; ary mandehana amin’ny fitiavana, toy ny nitiavan’i Kristy anareo. »Efesiana 5, 1-2 hoy ny Teny fanevan’ny FPMA ankehitriny. Sady faniriana izany no ezaka tratrarin’ny FPMA rahateo mba hahazoany mijoro ho vavolombelona fa Fiangonana Miray ary miasa hoamin’ny Fampiraisana izy, mba hanjakan’ny Fifankatiavana sy ny Firahalahiana Kristiana, eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina sy fehezin’Ilay Loha sy Tompony dia Jesoa Kristy.

 

                                   Ny Filoha Synôdaly, Filohan’ny FPMA,

                                  Rev. Dr Jean  RAVALITERA


Powered by Plone, the Open Source Content Management System

This site conforms to the following standards: